Teny iditra na
Sokajin-teny mpampitohy [fitanisana]
Famaritana malagasy Teny mpampitohy
¶ Enti-milaza zavatra roa azo ifidianana: Fidio izay tianao na ny vola na ny voninahitra
¶ Enti-milaza olona, zavatra, toe-javatra daholobe tsy ankanavaka: Tonga tao daholo na lehilahy na vehivavy na antitra na tanora na kely na lehibe [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy or, nor, though, whether, neither, if. It is also used to form several indefinite pronouns and adverbs. Comp. SA. [Richardson 1885]
 or; either; neither [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay ou. Manorata na mamakia boky: samy mety daholo izay ataonao: écrivez ou lisez: ce que vous choisissez de faire est bon. Samy mamy na ny ray na ny reny. Samy mampalahelo na ny mpandany na ny kahihitra. [Rajemisa: Grammaire]
 ou [Hallanger 1974]
Kamban-teny, lohateny, anarana 

Teny iditra na
Sokajin-teny kianteny [fitanisana]
Famaritana malagasy Heverina ho niavian' ny n' na n- ihany, izay ilazana tompon-javatra, saingy tsy fampiasa intsony ankehitriny afa-tsy:
1) raha milaza vidin-javatra: Vomanga-na volafolo;
2) amin' ny filazana izay olona nikendrena zavatra iray: Trano-na miaramila;
3) amin' ny filazana mpanao asan' ny iharana raha tsy voafaritra io mpanao asa io: Vita-na Malagasy [Rajemisa 1985]

Teny iditra na
Sokajin-teny kianteny [fitanisana]
Famaritana malagasy Kianteny atao eo alohan' ny anarana iray, izay enti-manazava anarana hafa voalaza eo aloha: Dia indro Antananarivo na ilay Analamanga fahiny [Rajemisa 1985]

Teny iditra na~
Sokajin-teny tovona [Teny amin' ny na~]
Famaritana frantsay préfixe comme dans naotra [Abinal 1888]

Teny iditra Na
Sokajin-teny anarana (simboly)
Famaritana malagasy Singa mivaingana, faha-11 amin'ny firaketan'i Mendeleiev. [3.1]
Famaritana anglisy Sodium. [3.1]
Voambolana 
Anarana siantifika Na
Ny fihaviany Latina: natrium.

2019/08/17