Teny iditra Naloan' ny fasana
Sokajin-teny   anarana (lohatenin-tononkalo)
Mpanoratra   Narivony Jean
  
- I -

Dia nody ny tafika fa avy nandresy,
Nirava ny toby,
Ka heno nanako ny antsa misesy
Narahina hoby.
'Reo foloalindahy nomban-Janahary
Nirehi-pamindra
Tsy resy tan' ady sy tsara mpirary
Ka mirana indrindra!

Somebika faly ny tao an-tanàna, io
Nifampiarahaba.
Hatraiza hatraiza dia nisy korana
Nomban-tabataba.
Kanefa indrisy! tanatin' izany,
Rahanitriniala
Dia re nitoloko sy heno tomany,
Nilaoza-malala !

Ravalo, hono, maty nanolotra ny ainy
Ho antoky ny ady,
Dia very ny toky nampanantenainy,
Ka ory ity vady;
'Lay hany domohina mamin' ny fony,
Nindaosim-papango;
Ny fiainana zary tsy sitrany intsony,
Fa feno farango.

- II -

Rehefa ho tapitra, hono, ny fetra
Aharetan' ny saona,
Dia tonga ireo efa naniry rehetra
Nitady hihaona.
Kanefa Rahanitra tsy mba nandray
Ny fitia kolokolo;
Nilaozan' ny vary ka mandrakizay
Tsy mila pisolo!

Niroso ny jono, nitranga ny vovo,
Fa tsy nahavoa;
Ny antitra trema, ny sidin-jatovo
Niseho avokoa,
Kanefa ny vola sy ny endrika kanto
Tsy nanana hery;
Nanoro niangavy ireo hanam-binanto
Fa tsy afa-nanery!

" Ny ahy, ny foko, ry dada sy neny,
Tsy ketsa nafafy
Ka ho haiko afindra ombieny ombieny,
Fa aleoko mihafy.
Ny ahy fitiavana latsaka anaty
Maningotra ny aiko,
Ka aoka hanaraka ilay efa maty
Tsy afaka an-tsaiko!"

- III -

Dia nofiny, hono, indray alina izay,
'Lay tiana eram-po
Nivoaka naloan' ny fasana indray,
Tsy simba na lo.
Dia tamy namafa ny tavany, hono,
'Zay feno tomany,
No sady nandrehitra ny afo voavonon'
Ny Fanantenany!

Kinanjo karazan' ny embona ihany
'Ty nofiny soa,
Fa indro' lay efa natelin' ny tany
Nitranga tokoa !
Nitsaha-piavy' lay ora-mandriaka
Nanako-masoandro,
Nisava ny rahona ka nibaliaka
Ny taratry ny andro!

Tsy maty Ravalo, fa nony naratra
Dia lasan-ko babo,
Ka tonga tantanan' izay olona antra
Mba nety nitsabo.
Rehefa vimbinin' ilay Fitondrana,
Tsy misy ahina,
Ka indro fa tody eo an-tany nialany
Ravalonirina !

***

Ny tena fitiavana, hoy aho mantsy,
Dia mandrakizay;
Voarohin' ny tady tsy tapaky ny antsy
Ny fo mifandray!
Ny senton' ny lavitra mety ho heno,
Miampita tokoa
Rehefa fitiavana iray no mameno
Ny fon' olon-droa!
Voambolana  
Tsanganana sy sary iray takila   Ny lohateny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2016/08/22