Teny iditra nofy
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Fahitana mandritra ny torimaso: Nahita an' i Dada tamin' ny nofy aho
¶ Asa toa atao eo am-patoriana: Nofiko niady tamin' ny biby goaibe aho
¶ Fady: Nofy ahy ny hivadi-belirano ~ Hahavanona handatsa-dra olona ve ny raiko? Nofy izany
¶ Zavatra tsy ho tanteraka: Nofy izany fa aza miantehitra amin' izany. [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy a dream [Richardson 1885]
 a dream; something impossible [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay songe, rêve, cauchemar: Nofiko niresaka taminao aho alina (J'ai rêvé cette nuit que je vous parlais) ~ Nofy izany (C'est un songe, une chose impossible) ~ Nofy ahy izay handainga (Je ne me permettrais jamais de mentir) [Abinal 1888]
 rêve; chose impossible [Hallanger 1974]
Sampanteny 
Endriteny 
nofy
nofiko
nofinao
nofiny
nofintsika
nofinay
nofinareo
nofin'
nofin-
nofim-
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1Mitovy indrindra izany ny kintana sy ny nofintsika, hoy ny fanohin-dRazaimalala ny teniny [Rajohanesa: Kintana]
2Toa nofy no nahatany fa tafatsangana ny vadiny [Rakotonandrasana: Tantsaha]
Teny nalaina 
Lahatsoratra 

2017/06/29