Teny iditra noho
Sokajin-teny   mpampitohy [firaketana]
Famaritana malagasy   Azon' ny: Reraka izy noho ny ratra nahazo azy
¶ Teny entina mampitaha zavatra roa ka ilay eo aorianany milaza ny zavatra fototry ny fampitahana: Ilaina noho ny volamena ny vy ~ Mamy ny akondro noho ny voasary
¶ Enti-milaza antony anaovan-javatra, satria: Noho ianao m' ividy boky betsaka, dia ahenako ny vidin' ny tsirairay [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   rather, than; on account of; because. It is also used in the comparison of adjectives, as a sign of the comparative degree, and is sometimes preceded by kokoa. [Richardson 1885]
   on account of, because of; more than, rather than
¶ tsàra nòho: better than [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   à cause de; plus que; plutôt que
¶ tsàra nòho, tsaratsàra nòho: meilleur que [Hallanger 1974]
   comme; noho est suivi immediatement du sujet du verbe: Noho ianao nandiso fotoana, dia tsy hahazo valisoa ianao (Comme vous n'êtes pas venu à l'heure exacte, vous n'aurez pas de récompense) [Rajemisa: Grammaire]
Ohatra  
1Maty noho ny sitrapoko mantsy Ilay, hoy indray ny teniny, sady vonto sy ontsa indray izy [Rajohanesa: Kintana]
2Very noho ny tahotra ny antsipika nony lany ireo vato natoraka [Rakotonandrasana: Tantsaha]
3Noho ny hangezan'ny nosy onenany va re no tsy ahatsapan'ny Malagasy firy fa Antanosy izy [Andriamalala: Ranomasina]
Fifanahafana   satria

Nohavaozina tamin' ny 2011/11/08