Teny iditra Ny Avana: Ilay fasan-tsakaiza tiana
Sokajin-teny   anarana (lohatenin-tononkalo)
Mpanoratra   Ny Avana
  
Hodidinin'alam-bero,
tsy an-tanin-tena akory;
ry mpandalo ! itsero
'ty zatovo mampahory!

Solon-dray mba manoloana,
solon-dreny mahazatra:
rafi-bato mikitoana ,
tany mena ambony tratra,
ranon'ando mangatsiaka,
danik'andro mahamay,
rivodrivo-mitsoriaka,
ary lolo miolomay !

Nefa kosa italanjony,
ry mpandalo, igagao:
ny anjely any ambony
tonga koa mitsidika ao!
Voambolana  
Tsanganana sy sary iray takila   Ny lohateny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2017/06/25