Teny iditra olona
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Teny ilazana ny toetra amam-pomban' ny olombelona (jer. io teny io): Ny fanahy no olona
¶ Teny ilazana ny olombelona tsy voafetra mazava na ny toetrany na ny isany: Misy olona mitady anao ao an-tokotany
¶ Vahoaka: Olona re izay tao an-tsena tao izay
¶ Amin' ny fitenin' ny ankizy, teny entiny milaza ny tenany: Manko ny olona vonoin' i Koto ô!
Mitovy hevitra: (olo-marina) fototr' olona ~ heni-kaja ~ manam-panahy ~ olom-banona ~ olom-boantsongo ~ tsongoin' olom-bolo ~ tsy voavidim-bola ~ voahangy tsy arahin-katina
Mitovy hevitra: (olon-dratsy) abilin' olona ~ afa-baraka ~ afa-boroka ~ alikan' olona ~ amboafitritra ~ amboan' olona ~ androvo ~ bandro ~ faikan' olona ~ fakon' olona ~ farafaikan' olona ~ fatritran' olona ~ fotsy fanahy ~ karin' olona ~ kitoatoan' olona ~ kolokolon' olona ~ lamokan' olona ~ manary ilo mby an-doha ~ maniva tena ~ mavoin-tena ~ mialabara-tena ~ olona lany hasina ~ olona lany henatra ~ olona mamoa fady ~ olona tsy manjary ~ olona tsy vaky afero ~ olona tsy vaky atatra ~ olona tsy vanona ~ tsaikan' olona ~ tsy manan-kenatra ~ tsy misangy hajan-tena ~ tsy valahara [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   a person, somebody, a human being. Olo is used in the provinces. [mal. And other dialects orang, amboyna malona and malono.] [Richardson 1885]
   a human being, man; someone [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   homme, personne; quelqu'un [Hallanger 1974]
Ohatra  
1Ireto olona tokony ho mpifandrafy. [Rajaonarivelo: Bina, takila 95]
2Vazimba no maromaro teto, olom-pohy [Callet: Tantara, takila 18]
3Nanomboka ny fisamborana ny olon' antoko. [Andraina: Mitaraina, takila 207]
4ka ny olon-drehetra dia samy mody amy ny havany avokoa. [Callet: Tantara, takila 453]
Ny bikany  
olona
oloko
olonao
olony
olontsika
olonay
olonareo
olon'
olon-
olom-
olo-
Kamban-teny, lohateny, anarana  
Teny nalaina  
Lahatsoratra  

Nohavaozina tamin' ny 2017/06/29