Teny iditra orana
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy  [Tanosy] patsa [Rakotosaona 1972]
 Karazam-biby mivelona any anaty rano, misy hodiny mafy, lavalava vatana, ary folo ny tanana amantongony ka ny roa voalohany misy kinifinifiny milentika amin' ny nofon' izay ketohiny [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy the Madagascar crayfish, which is very plentiful in the rivers and streams of the interior. It belongs to a genus peculiar to te island, and stands alone in some of the peculiarities of its structure. Astacoides madagascariensis, And. and M.-Edw. [comp. mal. Udang, a lobster; jav. And many Malayan languages uran, a prawn.] [Richardson 1885]
 a shrimp [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay écrevisse [Hallanger 1974]
Voambolana 
Anarana siantifika Astacoides madagascariensis
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra Raha tia orana hianao dia hakanay anio alina, fa mora azo foana izy ireny raha itondrana fanilo [Rajohanesa: Kintana]
Teny nalaina 

Teny iditra orana
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Rano mirotsaka avy eny amin' ny habakabaka vokatry ny fivongovongoan' ny rahona ho rano: Mamelombelona ny zavaboary ny orana ~ Avy ny orana ~ Latsaka ny orana ~ Mitsahatra ny orana [Rajemisa 1985]
 Rahona mihantona eny amin' ny rivotra manodidina ny tany izay tonga rano ka milatsaka mitaika ety ambonin' ny tany [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy Rain. [mal. Ujan; polyn. Na.] [Richardson 1885]
 Rain [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay Pluie [Hallanger 1974]
Voambolana 
Endriteny 
orana
ora-
oram-
oran-
Teny mitovy hevitra ranonorana
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra Midona ny orana any Ankaratra [Fox: Hainteny, laharana 192]
Teny nalaina 

Teny iditra orana
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Fanadiovana na famotsiana ny firava-bolamena na volafotsy. [Rajemisa 1985]
Sampanteny 

2016/06/07