Teny iditra paika
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Feo re avy amin' ny zavatra mifandona. [Voambolana: Feo]
¶ Fidona, fanapoahana amin' ny tanana na hazo: Paika kely foana dia ampy hampandeha io masinina io
¶ Tefy (vato): Vato tsara paika
¶ Fandehanana (amin' ny lalao fanorona), fifindran' ny vatom-panorona rehefa mihinana, ka mankeo amin' ny toerana tiany: Anao izao ny paika
¶ Tetika ampiasaina, tetikady: Paika fotsiny ny azy
Mitovy hevitra: dona ~ gona ~ katroka ~ poka [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy a stroke, a blow [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay coup, choc, cliquetis des armes
¶ réprimande
¶ un coup au jeu du fanorona. [Voambolana: Kilalao] [Abinal 1888]
 coup [Hallanger 1974]
Sampanteny 
Teny mitovy hevitra paipaika
Kamban-teny, lohateny, anarana 

Teny iditra paika
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy fomba ampiasaina [SLP 1986]
Famaritana frantsay procédé; mesure [SLP 1986]
Kamban-teny, lohateny, anarana 

Teny iditra paika
Sokajin-teny mpamaritra
Famaritana malagasy  [Sihanaka] maina (taona) [Rakotosaona 1972]

2013/06/02