Teny iditra papelika
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Karazam-borona mifanahatahaka amin' ny tsipoy fa kelikely kokoa (halava: 18 sm), izay hazain' ny olona fatratra noho ny henany tena matsiro. Voadiniky ny ntaolo ny fanenony fa tahaka ny manao hoe "tsara aho", ka dia izany ny nanaovany azy ho tahaka ny mandoka tena ka nahatonga ny fitenenana hoe "midoka tena toy ny papelika" [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay caille ordinaire [Rajemisa: Vakoka]
Voambolana 
Teny mitovy hevitra kibobo ~ menamaso
Ohatra Ary nony hariva dia niakatra ny papelika, ka rakotra azy ny toby; [Baiboly: 2:016:013/Eksodosy 16:13..]
Teny nalaina 
Lahatsoratra 

2017/06/29