Teny iditra polopolorina (pololotra)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Tsy fampiasa raha tsy amin' ireto fomba fiteny ireto: Tsy hita polopolorina: tsy mety ho hita na manao ahoana na manao ahoana; tsy taka-polopolorina:lalina tsy voasain-tsaina, tsy misy fetra, tsy misy farany
Mitovy hevitra: tsy taka-pesipesenina [1.1]
Ohatra Tsy hain' ny fandinihana arahi-maso, fa tahaka ny vikina niampita avy amin' ny tsy taka-polopolorina. [2.296]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : polopolorina, polopoloriko, polopolorinao, polopoloriny, polopolorintsika, polopolorinay, polopolorinareo, polopolorin', polopolorin-, polopolorim-, polopolori-
Ny lasa : nopolopolorina, nopolopoloriko, nopolopolorinao, nopolopoloriny, nopolopolorintsika, nopolopolorinay, nopolopolorinareo, nopolopolorin', nopolopolorin-, nopolopolorim-, nopolopolori-
Ny hoavy : hopolopolorina, hopolopoloriko, hopolopolorinao, hopolopoloriny, hopolopolorintsika, hopolopolorinay, hopolopolorinareo, hopolopolorin', hopolopolorin-, hopolopolorim-, hopolopolori-
Kamban-teny 

Nohavaozina tamin' ny 2023/02/16