Teny iditra rafitra
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Fiasanany hazo hanaovana fanaka, trano: Anisan' ny taozavatra ilaina tokoa ny rafitra
¶ Fomba iasana ny hazo mba hanaovana azy ho fanaka, trano...: Tsara rafitra ity latabatra ity
¶ Fikambanan' ny zavatra maro ho tenan-javatra iray: Mahatalanjona ny rafitry ny tenan' ny olombelona
¶ Fitaovana fanaovana rafitra: vankona, raboha, dalompy, tsofa, didiravina, homamanta, tantanana, famoalaka, torosy, tandra, fandraka ( fandradahy, fandrabavy), vahoho, fively, fively fandraka, filamatra, hazomahitsy, famaky, tsimaka, lamisy, rivodahy
¶ Fomban-drafitra: am-panoa, andahiny, ambaviny, barazedra, sokitra, torihisatra, koronosy, fehimbarika, filiro, saridiseza [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   carpenter's work, masonry, brickwork [Richardson 1885]
   construction work, a construction; carpentry [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   ouvrage de charpenterie, de menuiserie, de maçonnerie, de mécanique, ajustage des pièces d'un même tout, construction d'un ouvrage, d'une maison, d'un pont, d'une machine [Abinal 1888]
   menuiserie; construction, charpente [Hallanger 1974]
Ohatra   miendaka tsikelikely ny rafitra tsirairay aminy, ary farany dia tsy hisy intsony fa lakana goavana bontolo no sisa tavela. [Andriamalala: Ranomasina, takila 16]
Sampanteny  
Ny bikany  
rafitra
rafitro
rafitrao
rafiny
rafitsika
rafitray
rafitrareo
rafitr'
rafi-
rafitry
Kamban-teny, lohateny, anarana  
Teny nalaina  

Teny iditra rafitra
Sokajin-teny   mpamaritra
Famaritana malagasy   Manomboka: Tamin' izay, rafitra ny ady
¶ Raikitra: Rafitra ady Isambilo sy Ibalita
¶ Mikatroka... avy hatrany, ombika: Rafitra nifampitolona izy roa lahy. [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   at variance, broken out, as a quarrel [Richardson 1885]
Dikanteny frantsay   qui en vient aux mains, qui entreprend un travail, qui s'y applique: Tamin' izay rafitra ny ady (Alors la bataille, la dispute commença) ~ Rafitra ady izy roa vavy (Ces deux femmes commencent à se disputer) ~ Rafitra nifamono izy roa lahy (Ces deux individus se mirent à se battre) ~ Rafitra amin' ny asa izy roa lahy (Ils travaillent tout de bon tous les deux) [Abinal 1888]
Ohatra   Rafitra tamin' ity herinandro ity ny ady amin' ny Frantsay sy ny Alemana, ary koa amin' ireo firenena anman' ny ankilany sy andaniny avy. [Andraina: Mitaraina, takila 113]
Kamban-teny, lohateny, anarana  

Nohavaozina tamin' ny 2013/12/10