Teny iditra raha
Sokajin-teny mpampitohy [fitanisana]
Famaritana malagasy Mitarika fehezan-kevitra izay milaza fepetra iankinan' ny fahatanterahan' ny fehezan-kevitra iray hafa: Raha mihira ianao dia homeko vola [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy when, if, as for, since. [Richardson 1885]
 when, when and if, if [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay quand, si [Hallanger 1974]
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Mpanahaka  fony ~ nony ~ rehefa
Ohatra Raha sakafo no manimanitra, mazoto homana ny mpihinana. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 162]

Teny iditra raha
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy  [Bezanozano, Sihanaka, Taisaka, Tambahoaka] zavatra [Rakotosaona 1975]
  [Tanala] zavatra, anona [Rakotosaona 1975]
 Teny fahita indrindra any anindran-tany entina hilazana fanahy tsy fantatra, izay matetika manimba na mety hanimba: Misy raha ao anatin' io rano io
¶ Teny ilazana izay tsy tiana na tsy hay holazaina mazava tsara: Hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha [Rajemisa 1985]
 ¶ raha mivolombatolalaka: tambatsela hita ao amin'ny betro. [Voambolana: Haiaina] [SLP 1986]
Famaritana frantsay substance
¶ raha fotsy: substance blanche. [Voambolana: Haiaina]
¶ raha Golgi: corps de Golgi. [Voambolana: Haiaina]
¶ raha mibika teboka: point matériel. [Voambolana: Fizìka]
¶ raha mineraly: substance minérale
¶ raha mivolombatolalaka: matière grise. [Voambolana: Haiaina]
¶ raha ôrganika: substance organique [SLP 1986]
Teny nalaina 

Teny iditra Raha
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tononkalo)
Mpanoratra Ratany Samuel, 1925
 
Raha sendra midona ny voalohan'orana,
Nefa ny ambiaty tsy mbola mitsiry ;
Raha vorona ompiana no tapa-patorana,
Kefa ny mpiompy tsy rototra firy;

Raha sendra ka ravan-tadio ny akany,
Kanefa tsy taitran'izany ny fody ;
Raha zaza tinaiza no re mitomany,
Ny reniny anefa tsy mahalala mody ;

Raha fo te-hiverina vonon-kifona,
Kinanjo mitodika voatsipi-drora;
Raha toa fanekena sendra midona,
Kanefa voatifitry ny harika mora ;

Raha volana maro no niandry fitia,
Kanefa tsy misy minitra hifaliana;
Raha toa efa tony ny rano maria,
Ny lakana anefa tsy manim-podiana;
Raha sendra mba taitra ny fo nanantena,
Kanefa ny tiana vao maika matory ;
Raha tiana ho tanteraka ilay fanenkena,
Kanefa voavadiky ny andro mahory;

Raha sendra mitsiky maraina ny lisy,
Kanefa tsy hita eo akaiky ny lolo
Nandrasako ho avy , kinanjo tsy nisy
Tandindona akory tonga hisolo

Ahoana ? Inona ary ny anton'izany ?
Miangatra ve ny lalàn'ny tany ?

Tsy izany tsy akory fa izao no efa didy,
Raha ny efa mivadika indray no mivalo,
Dia miova ny lahatra sy ny safidy
Ka lasa ho tompony ilay natakalo.

Raha toa mpisompatra indray no ho marina,
Izay no atao hoe : Fitia nangalarina;
Raha ny efa tsy tia no tiavina indray,
Aleo dia mamoy azy mandrakizay.
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

2020/02/02