Teny iditra ranoiray > ranoray (rano, iray)
Sokajin-teny mpamaritra
Famaritana malagasy Enti-milaza loko maro mitambatra ka manjary tokana lehibe, bambaray: Irony loko samy hafa atentin' ny habakabaka / milahatra mirindrarindra, milanto mifanapatapaka / kanjo nony kelikely mihanaka ho ranoray. (Haeckel A.)
¶ Mitovy tantana: Tondraka ny rano manodidina ny tanàna, ka tsy nisy havoana sy lemaka intsony, fa ranoray no fitazana azy [Rajemisa 1985]
 tokam-pangaro [SLP 1986]
Famaritana anglisy Covered, diffused, overflown, overspread, uniform, universal. [Richardson 1885]
Famaritana frantsay homogène [SLP 1986]
Tsipelina hafa 
Ohatra Difotra ny tanimbary rehetra, ny zehitra amoron' Alaotra lasa ohatra ny farihy ranoray daholo. [Andraina: Mitaraina, takila 36]