Teny iditra ranomasimbe (rano, masina, be)
Sokajin-teny anarana
Voambolana 
Mpitovy hevitra bambandrano ~ bambandranobe ~ bambandranomasina
Ohatra 
1Ny lalana faharoa izay sarotra inoana dia ny lalana mamakivaky miankandrefana ny Ranomasimbe indiana, ranobe mangeniheny enina arivo kilaometatra ! [Randriamamonjy: Tantara, takila 14]
2Niondrana tao Toamasina izahay nentin'ny sambo Leconte de Lisie namakivaky ny ranomasimbe. [Ravelomanana: Lalana, takila 32]
3Ka hataonao inona anefa ireo hazandrano ireo, hoy Ikemba, no dia nanaovanao vy very ny ainao teny an-dranomasimbe teny? [Rajaonarivelo: Bina, takila 12]

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31