Teny iditra Rapatsalahy José Paul
Sokajin-teny   anaran-tsamirery (olona) [firaketana]
Famaritana malagasy   Mpianatr' i "Bahut" (Lycée Galliéni) hatramin' ny farany izy, ka rahefa nahazo ny Baccalauréat "Philo" dia toa efa "voasoratra" handimby an-drainy teo amin' ny sehatry ny fanaovan-gazety. Nandia ny Sekoly Ambony momba ny "Journalisme" teto an-toerana, nanohy izany tany Amerika, ary nandalina farany tany Paris. Ary dia tsaroana ny nandalovany taona maromaro tao amin' ny Televisiona Malagasy, izay mbola teo am-piandohany tokoa tamin' izany fotoana izany. Nisy marika napetrany tao...

Sady nidodi-doha nandray andraikitra teto amin' ny Imprimerie Takariva izy, no toa mbola "voasoratra" ihany koa hamokatra tatara toa-an-drainy.

Dia tantara valo no vokatry ny fikirizany. [Rapatsalahy J: Rotaka]

Asa navoany  

Nohavaozina tamin' ny 2017/03/02