Teny iditra rapeto
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   olona lava be [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   long, tall. [Richardson 1885]
   a very tall person [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   personne très grande [Hallanger 1974]

Teny iditra Rapeto
Sokajin-teny   anarana (olon' ain' ny tantara) [firaketana]
Famaritana malagasy   Anaran' olo-malaza tamin' ny angano noho ny halavany [Rajemisa 1985]
   Rapeto, hono, dia Vazimba talohan' izany Andriamanelo, mpanjaka tatý fony fahagola. Teo Ambohidrapeto andrefan' Antananarivo, no vohitra nitoerany. Lavabe nahatakatra ny lanitra izy. Tany anaty ala atsinanana no nandrahoiny ny variny, nefa tany Ambohidrapeto no nihinanany azy. Tany Ambohitrarahaba, avaratr' Antananarivo, no filalaovany, ka nataony indray mandingana ihany hatreny Ambohidrapeto ka hatreny Ambohitrarahaba. Izy no nanao ny tsentsin-drano vato vaventibe ao am-bodin' Itasy, ka namboariny ho farihy lehibe, hisotroan' ny ombin-dRasoalao vadiny. Ilay vato loaka tahaka ny dian-tongotr' olona ao an-dalamben' Ambohitrarahaba dia nohitsahin' ny faladiany sy niankinan' ny ranjony, hono, hampisehoany ny heriny. Ary ny loadoaka eny amin' ny vatolampy maro dia lazaina hoe diany avokoa. Indray mandeha izay dia nanampatra ny heriny loatra izy ka naka ny volana holalaovin' ny zanany ; kanjo nasian' ny volana diamanga izy ka dangy nitsitra terý. Lazain' ny sasany kosa anefa fa nankany atsinanan' Amorokay izy, ka tany no nahafatesany. [Dahle: Angano takila 53]
Dikanteny anglisy   a legendary giant long, tall [Richardson 1885]
   a legendary giant [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   géant légendaire [Hallanger 1974]
Ohatra   Ary Ambohidrapeto natao Am-bohi-dRapeto: eo ny tamboho ny Rapeto rahateo [Callet: Tantara, takila 17]
Voambolana  
Haianarantany   Anaran-toerana misy itý teny Rapeto itý (1): Ambohidrapeto
Sary  

Nohavaozina tamin' ny 2017/03/16