Teny iditra Razafiniaina Charlotte
Sokajin-teny   anaran-tsamirery (olona) [firaketana]
Famaritana malagasy   Charlotte Razafiniaina, teraka tamin'ny 1894, dia mpanoratra fanta-daza tamin'ireo diam-peniny maro be tsy tambo isaina nisahana sampana maro: poezia, tononkalo, teatra, fa indrindra hainteny sy tantara foronina. Ny azo lazaina ho toetra mampiavaka ny soratr'i Charlotte Razafiniaina dia ny fitanana ny nentin-dRazana - tsy fitanana fe fitanana fotsiny fa tena fifikirana mihitsy [Rajemisa: Fiteny 4]
Voambolana  
Asa navoany   Eva malagasy
Lamby nefa tsy rota
Mongon' entana tsy zanaky ny heriny
Ny rivotra an-kadilanana
Ny tantaran' ilay savomanitra
Ny tiana tsy mba zaraina
Rota sy Naomy
Sahondran' i Mamolakazo
Zahatra arendrintompo

Nohavaozina tamin' ny 2017/07/31