Teny iditra re
Sokajin-teny   matoanteny mpamaritra
Famaritana malagasy   Heno: Renao ve izany vorona mihira izany?
¶ Fantatra: Efa renao ny nialan-dRakoto.
¶ Tsapan' ny fandrenesana, toy ny fanamboloana: Tsy reko izany fofona ao izany fa voan' ny sery aho; ny fandrenesana tsiron-kanina: Tsy reny akory ny hamamin' ny siramamy; ny fikasihana: Reko ny tsongo ataony ahy.
¶ Tsaroana: Reko tsara loatra izany fahoriako [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   heard; perceived by the senses, as pain or smell [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   entendu [Abinal 1888, Hallanger 1974]
   appris, senti, perçu par les sens du goût, de l'odorat, du toucher [Abinal 1888]
   perçu par le sens du toucher, l'odorat, du goûter [Hallanger 1974]
Ohatra  
1Ho ren'olo ka ho maty aho. [Razafiarivony: Harivolana, takila 133]
2Avereno kely hoe ho reko tsara. [Rapatsalahy: Kintana, takila 111]
3Tsy nisy hitany na reny nanatona anefa [Andraina: Mitaraina]
4reny tsara ny fiakatry ny fofon-jezika ary maharikoriko azy [Rakotonandrasana: Tantsaha]
5Taitra dia taitra izy, fa avy any ambony ilay zavatra reny, ka fantany fa tsy izy mianaka avy naka orana tary an-dohasaha ambany [Rajohanesa: Kintana]
Sampanteny  
Ny bikany  
re
reko
renao
reny
rentsika
renay
renareo
ren'
ren-
rem-
re
reko
renao
reny
rentsika
renay
renareo
ren'
ren-
rem-
ho re
ho reko
ho renao
ho reny
ho rentsika
ho renay
ho renareo
ho ren'
ho ren-
ho rem-
Fitovian-keviteny   reny
Kamban-teny, lohateny, anarana  

Teny iditra re
Sokajin-teny   kianteny [firaketana]
Famaritana malagasy   Kianteny kely fanao amin' ny fehezanteny manontany raha manontany tena ilay miteny: Inona re no hataoko e; handeha sa hijanona?; ary amin' ny fehezanteny tsotra kosa raha mangataka mitalaho: Mifona re, tompoko, fa tsy hanao intsony aho [Rajemisa 1985]
Ohatra  
1Nahoana re no anton'izany? [Rajohanesa: Kintana]
2Aoka re, anaka. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 179]

Teny iditra ~re~
Sokajin-teny   tsofoka [Teny amin' ny ~re~]
Dikanteny frantsay   infixe qui sert à former le pluriel des pronoms-adjectifs démonstratifs: io -> ireo [Rajemisa: Grammaire]

Teny iditra re
Sokajin-teny   anarana (simboly)
Dikanteny malagasy   Ny feo faharoa manarakaraka ny do amin' ny ambaratongam-peo fito amin' ny gama [Rajemisa 1985]
Voambolana  
Sary  

Teny iditra Re
Sokajin-teny   anarana (simboly)
Dikanteny malagasy   Singa mivaingana, faha-75 amin'ny firaketan'i Mendeleiev. [3.1]
Dikanteny anglisy   Rhenium. [3.1]
Dikanteny frantsay   Rhénium. [3.1]
Voambolana  

Nohavaozina tamin' ny 2017/06/30