Teny iditra resaka
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Teny ifanaovana: Araka ny resaka nifanaovantsika omaly, dia iny ny zanako haka ilay vola
¶ Teny ifanaovana momba ny zavatra anankiray voafaritra tsara: Resaka momba ny ady tany Vietnam no nandanian' izy ireo andro tao
¶ Teny ifamalian' ny mpifankatia momba izao sy izao: Saika tsy tapaka ny resakay raha tsy nanomboka naneno ny akoho
Mitovy hevitra: dinidinika ~ dinika ~ karajia ~ koràna ~ resaka mahabe loa-bary ~ tafa ~ tafasiry ~ tapatapakahitra ~ taria [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy conversation, talk [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay conversation; entretien [Abinal 1888, Hallanger 1974]
 causerie [Abinal 1888]
Sampanteny 
Endriteny 
resaka
resako
resakao
resany
resatsika
resakay
resakareo
resak'
resa-
resaky
-dresaka
-dresako
-dresakao
-dresany
-dresatsika
-dresakay
-dresakareo
-dresak'
-dresa-
-dresaky
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1Tsy ho lava resaka aho. [Randriamamonjy: Ombalahibemaso, takila 93]
2Velona eo indray ny resaka. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 45]
3Aza tapahin’ ialahy ny resakay (Ne coupe pas notre conversation) [Abinal 1888, takila 526]
4Dia lasa ilay olon-kendry, ka nody nampandry sofina nihaino ny resaka nataon' ilay vorondolo roa [Rabezandrina: Ikotofetsy]
Teny nalaina 

2017/04/06