Teny iditra resy
Sokajin-teny   matoanteny mpamaritra
Famaritana malagasy   Voa tamin' ny ady na lalao fifaninanana: Resin' ny Fortior ny mpanao baolina avy tany Lesotho
¶ Maty (loka): Resy tamin' ny loka Rabe ka niozonozona tsy hamerina intsony
¶ Tsy nahazo rariny tamin' ny ady amin' ny fitsarana: Resy tamin' ilay ady lova Rakoto ka tsy manana na inona na inona intsony izao
¶ Tsy mahatohitra: Resin' alahelo izy
¶ Maty antoka: Alaovy ho anao valopolo io akoho io fa resy aho raha latsaka izany
Mitovy hevitra: ambaka noho ~ latsaka ambany noho ~ mandray sanga ~ mangataka ranomandry ~ maty an-daharana ~ miamboho lahy ~ mifori-drambo ~ milavo lefona ~ resy tosika ~ resy tsy miady ~ sendra tolona tsy omby tratra ~ tsy mahaleo ~ tsy mahasehaka ~ tsy mahatohitra ~ tsy mahazo an-tsahala ~ tsy mahovoka ~ voasongona ~ voatosika [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   defeated conquered, overcome [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   battu, conquis [Hallanger 1974]
Ohatra  
1Maty Ratsimive ary resy ny tafiny. [Randriamamonjy: Tantara, takila 277]
2Hoy aho nandraiki-dresy tsy fidiny. [Andriamalala: Vohitry]
3Ho resy miandalana ny andro mahory! [Rafanoharana: Ony]
Sampanteny  
Ny bikany  
-dresy
-dresiko
-dresinao
-dresiny
-dresintsika
-dresinay
-dresinareo
-dresin'
-dresin-
-dresim-
resy
resiko
resinao
resiny
resintsika
resinay
resinareo
resin'
resin-
resim-
resy
resiko
resinao
resiny
resintsika
resinay
resinareo
resin'
resin-
resim-
ho resy
ho resiko
ho resinao
ho resiny
ho resintsika
ho resinay
ho resinareo
ho resin'
ho resin-
ho resim-
rese
Kamban-teny, lohateny, anarana  

Teny iditra resy
Sokajin-teny   matoantenin'ny atao
Famaritana malagasy   noana [Antesaka, Tanosy] [Rakotosaona 1972]

Nohavaozina tamin' ny 2017/04/06