Teny iditra riana
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Rano mianjera avy amin' ny toerana ambony, izay matetika avy amin' ny fahatapahan' ny lalan' ny renirano, ka tsy misononoka intsony fa midina tampoka manaraka laha-bato mikitoantoana; noho ny rano mianjera mafy, dia misy roatrany be ary mitalakotrokotroka ny riana sasany. [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy rapids, a waterfall [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay rapide, cascade [Hallanger 1974]
Voambolana 
Sampanteny 
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1Ndeha hitsinjo riana eo izy. [Ndemahasoa: Antakay, takila 102]
2Mandre reoreo lava, toy ny saobakaka ambody riana. [Dahle: Angano, takila 244]
3Tiany ny fofon-tendrombohitra voatantavan' ny fangarangaran' ny riana. [Andriamalala: Taolambalo, takila 10]
Teny nalaina 
Haianarantany Anaran-toerana misy ity teny riana ity (6)
Ambodiriana
  Riambe
  Riamboay
  Riamena
  Riampotsy
  Rianavo
 
Sary 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31