Teny iditra rotra
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Hazo lehibe fahita saika hatraiza hatraiza, fa indrindra manaraka ny moron' ny renirano; maro ny ilana ny rotra: ny voany, mena antitra, somary boribory lavalava dia anisan' ny voankazo maro mpitia na dia somary maisamaisatra kely aza; ny hazony kosa dia hanaovana hazon-trano, fa indrindra hazon-tsarety sy foiben-kodiarana (Myrtacees eugenia) [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay   l'acajou rougeâtre [Abinal 1888]
   [Tanala] nom de divers arbres, Eugenia sp., ou Sisygium sp., famille des Myrtacées. Lié au destin astrologique Alahomaly. Entre dans des charmes visant à obtenir ce que l'on désire (richesses, femme, amitié) (fradrorotana, ody viavy), ou fixant un conjoint dans son foyer (fandreketana). Protecteur, il arrête les armées ennemies (fanoñy tafika), est employé dans les charmes de la fondation du village (toñy). Soigne la dysenterie. [Beaujard 1998]
Ohatra   rotra, angalana fakandrotra ny atsinanana, sy fantsinakolaby ny atsinanana, ary lavenonavatovelona, ary asai' ny mpisikidy alam-paditra vatomaly sy zava-maty foana ny marary; [Callet: Tantara, takila 110]
Voambolana  
Anarana siantifika   Myrtacees eugenia, Sisygium
Fitovian-keviteny   rotse

Teny iditra rotra
Sokajin-teny   anarana
Famaritana anglisy   ... Fruit a small to large fleshy indehiscent drupe, obliquely attached and laterally elongate, apex rounded, dark purple to black, incompletely surrounded at the base by the accrescent, fleshy, lateral, red appendage [Schatz: Flora]
Ohatra   Rahefa fotoanan' ny manga, na rotra, na goavy, naka an-karona nentina nody izahay. [Andraina: Mitaraina, takila 10]
Voambolana  
Anarana siantifika   Apodytes dimidiata
Fitovian-keviteny   apelabemainty ~ ditsaky ~ fotatrala

Nohavaozina tamin' ny 2014/03/14