Teny iditra sahala
Sokajin-teny   mpamaritra
Famaritana malagasy   Enti-milaza fitoviana ara-bidy, lanja...: Mandehana amin' izao ianareo fa efa sahala izao ny anjaranareo
¶ Mitovy fa tsy sahala ireto satroka roa ireto, be vidy kokoa iroa volombatolalaka iroa
¶ Sahala amy...: tahaka ny, toy ny: Ny maka tsy miera dia sahala amin' ny mangalatra ihany.
Mitovy hevitra: mifanahantsahana ~ mifanahatahaka ~ mifanakaikikaiky ~ mifandraidraika ~ mifandrindrarindra ~ mifanendrahendra ~ mifanendrihendry ~ mifanentanentana ~ mitovitovy ~ sahalahala [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   alike, the same; cf. mitovy, tahaka, toy [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   identique, même [Hallanger 1974]
Ohatra  
1Sahala ihany izany, hoy Zaka. [Andriamalala: Zazavavindrano, takila 124]
2Malagasy sahala amiko avokoa ireo. [Andraina: I Vola, takila 64]
3Ny sandriny iray sahala amin' izao. [Razafiarivony: Harivolana, takila 220]
Sampanteny  
Ny bikany  
sahalà
Fitovian-keviteny   sahalahala ~ mitovitovy ~ mifanahantsahana ~ mifanahatahaka ~ mifanendrahendra ~ mifandraidraika ~ mifandrindrarindra ~ mifanakaikikaiky ~ mifanentanentana ~ mifanendrihendry
Kamban-teny, lohateny, anarana  

Teny iditra sahalà
Sokajin-teny   filaza mandidin' ny mpamaritra sahala [firaketana]
Dikanteny frantsay   soyez égaux; terme par lequel on souhaite aux plaideurs qu'il n'y en ait aucun de vaincu [Abinal 1888]

Teny iditra sahala
Sokajin-teny   mpamaritra
Famaritana malagasy   antonona: vilany sahala [Tanosy] [Rakotosaona 1972]

Nohavaozina tamin' ny 2017/06/30