Teny iditra salama
Sokajin-teny mpamaritra
Famaritana malagasy Tsy marary, tsy marofy.
Mitovy hevitra: bolangina ~ finaritra ~ seheno ~ soamadina ~ tsara fanahy ~ tsy maninon-tsy maninona ~ tsy marofy [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy well, healthy [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay qui est en bonne santé [Abinal 1888]
 bien portant, en bonne santé [Hallanger 1974]
Sampanteny 
Teny mitovy hevitra salamalama
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1Tahaka ny fifohazana maraina maneno fitaratra, fony izy salama, no nahatsiarovany ny tenany. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 58]
2Efa tonga tao Mahatsinjo, hono, izy, saingy tsy salama ka hamonjy fitsaboana any Imerina, ary angamba, araka ny filazany, hanaraka azy koa Ineny [Andriamalala: Ranomasina, takila 43]
3Niaraka nankany an-tsaha izy telo mianaka, tsy maintsy nentina I Solo na tsy salama aza. [Andraina: Mitaraina, takila 161]

Teny iditra salama
Sokajin-teny tenim-piontanana [fitanisana]
Famaritana anglisy [Arabic salam] how do you do? [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay [arabe salam] salut! bonjour! [Hallanger 1974]
Kamban-teny, lohateny, anarana 

2012/07/11