Teny iditra salovana
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Fankanesana eo anoloan' ny hafa ka manembantsembana azy
¶ Fitenenana avy hatrany alohan' ny hafa ka tsy ahazoan' izato milaza ny heviny
¶ Ny eo anoloana amin' ny tarehy:Salovan-tava. [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy the front [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay le devant, le front [Hallanger 1974]
Sampanteny 
Kamban-teny, lohateny, anarana 

Teny iditra salovana
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy  [Sihanaka] lamba nakambana ny tondrony roa ka itsofohan'ny vehivavy [Rakotosaona 1972]
  [Tanala] (salovaña) fitafiana fitondran'ny vehivavy any amorontsiraka antsinanana any izay mivitrana ny lanin roa, fitafiana fitondrany na adavan'andro aza [Rakotosaona 1972]
 Lamba atao arondoto eo anoloana [Rajemisa 1985]
Teny mitovy hevitra salova

2013/06/10