Teny iditra |
sambatra
|
Sokajin-teny | mpamaritra
|
Famaritana malagasy | Miadana, tsy manan-java-mahory, tretrika: Raha te ho sambatra ianao, rahatrizay, mianara tsara ary miasà mafy ¶ Miadan-tsaina, milamin-tsaina, finaritra: Sambatra izany fianakaviana mifankatia izany ¶ Mananjara, tsara vintana, ambinina: Sambatra izy nahazo vady hendry [Rajemisa 1985]
|
Fandikana anglisy | blessed, happy [Hallanger 1973]
|
Fandikana frantsay | heureux, béni [Hallanger 1974]
|
Sampanteny |
Ohatra | Nahatsiaro ho sambatra ery izahay mianakavy nony nandry voalohany tamin' ny tranonay vaovao. [Andraina: Mitaraina, takila 41]
|
Teny nalaina |
|
Teny iditra |
sambatra
|
Sokajin-teny | anarana
|
Famaritana malagasy | [Tambahoaka, Tanala]
fora, famorana [Rakotosaona 1975]
|
| [Taisaka]
Famorana zaza mitambatra amim-pomba lehibe, izay fanao isaky ny fito taona, izany hoe ny zazalahy rehetra teraka ao anatin' ny fito taona dia atambatra hatao hasoavana amin' io andro iray io [Rajemisa 1985]
|
Fandikana frantsay | circoncision [SLP 1986]
|
Mpanahaka |
didiam-poitra ~
fora ~
foza ~
savatse ~
hasoavana ~
tapakanake |
|
Teny iditra |
sambatra
|
Sokajin-teny | anarana
|
Famaritana malagasy | Fahandro katsaka amin' ny babiny, na mangahazo lena atao tetika lava [Rajemisa 1985]
|
|