Teny iditra samihafa (samy, hafa)
Sokajin-teny mpamaritra
Famaritana malagasy Isan-karazany: Voaravaka voninkazo samihafa ny Lapan' ny tanàna fa fety ny andro (tsy tokony hafangaro amin' ny "samy hafa" izay "tsy mitovy" no heviny [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy mutually different. [Richardson 1885]
Famaritana frantsay divers [SLP 1986]
Sampanteny 
Mpanahaka  samy hafa
Ohatra 
1Avy eo ny filazana vaovao sy ny adidy samihafa. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 19]
2Sarangan' olona samihafa no hita tamin' ireny nosamborina ireny. [Andraina: Mitaraina, takila 207]
Teny nalaina 

2018/07/26