Teny iditra sampana
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Ny rantsana madinika miray amin' ny vataben' ny hazo: Be sampana ity hazo ity. / Sampan-kazo
¶ Rehefa mety ho fizarazaran-javatra mivoaka avy amin' ny foto-be: Amin' ireo rano avy any Ankaratra, ny sampana mianavaratra dia mivarina any Ikopa
¶ Fizarazarana, antokon-javatra ao anatin' ny firaisam-be: Ny marika dia sampan' ny fianarana ambaratonga voalohany
¶ Fikambanana kely izay mifandray amin' ny foibe, na iray fileovana aminy: Ny sampana atsy Ananona no mandeha indrindra amin' ny sampan' ny Fikambanan' ny Ray aman-drenin' ny mpianatra eto amin' ny faritany [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy a branch, a branching off; a branch group or organization [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay branche; branchement; filiale [Hallanger 1974]
Sampanteny 
Ohatra Vao vita kelikely ny lalam-by Antananarivo-Toamasina, dia nasiany sampana avy ao Moramanga mankany amoron' Alaotra. [Andraina: Mitaraina, takila 63]
Haianarantany Anaran-toerana misy ity teny sampana ity (1): Antsampandrano

2013/06/11