Teny iditra sarahina (saraka)
Sokajin-teny matoantenin' ny atao
Fanazavàna teny malagasy Tsy akambana, hatahina mba tsy hikambana, avahana: Tokony hosarahina amin' ny ahidratsy ny vary
¶ Tsy avala hiaraka, tsy ampiarahina: Taloha nosarahina tany am-pianaranany zazalahy sy ny zazavavy
¶ Ahataka: Saraho ireo ankizy miady ireo
¶ Faritana: Sarahin' ny renirano iray ireo faritany roa ireo
¶ Elanelanina: Sarahin' ny tendrombohitra roa ambin' ny folo isika nefa tsy mifanadino [Rajemisa 1985]
Fanazavàna teny anglisy to be separated [Hallanger 1973]
Fanazavàna teny frantsay qu'on sépare [Hallanger 1974]
Haiendriteny 
sarahina
sarahiko
sarahinao
sarahiny
sarahintsika
sarahinay
sarahinareo
sarahin'
sarahin-
sarahim-
sarahi-
nosarahina
nosarahiko
nosarahinao
nosarahiny
nosarahintsika
nosarahinay
nosarahinareo
nosarahin'
nosarahin-
nosarahim-
nosarahi-
hosarahina
hosarahiko
hosarahinao
hosarahiny
hosarahintsika
hosarahinay
hosarahinareo
hosarahin'
hosarahin-
hosarahim-
hosarahi-
saraho

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31