Teny iditra sarotra
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  [Bezanozano] Lafo, sarobidy [1.78]
 Tsy mora ny fanaovana azy, manahirana: Asa sarotra ~ Sarotra ny mampiditra io farafara lehibe io amin' ity varavarankely ity
Sarotiny, mahihitra, tia tena: Sarotra izy raha hanome
Ilazana olona tia hanina loatra, ka tsy mizara na ahazoana potiny kely akory: Nafenin' ity Rangahy sarotra tao anaty satrony, hono, ny voanjo mahamay mba tsy ho hitan-janany
Mampidi-doza: Sarotra ny maniny ny mpitondra
Lafo vidy: Sarotra ny vary izao
Mitovy hevitra: hangana ~ hentona ~ lafo [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Difficult; selfish, hard to get along with; costly [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Difficile [1.3, 1.8]
 Ardu, périlleux, pénible, dangereux
Cher, coûteux, ruineux
Avare, ladre, intéressé, égoïste, sévère, exigeant [1.3]
 égoïste, difficile à vivre; qui coûte cher [1.8]
Ohatra 
1Sarotra ny mampiditra resaka, hoy Ilaimanga fa hoatry ny haninona ihany. [2.324]
2Mbola tsy nahita aho aloha fa sarotra ny mandainga, hoy ny rainy. [2.470]
3Lehibe aman-tsaro-boasana ny fitsaranao [2.996]
Haiendriteny 
Tsotra : sarotra, saro-
Tovonana : -tsarotra, -tsaro-
Sampanteny 
Kamban-teny 
Anaran-toerana 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/05/18