Teny iditra silaka
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Hazo na vy asisika eo amin' ny hazo efa natomboka hotsofaina mba tsy hanery ny tsofa, na tsofoka eo anelanelan' ny vato ka velezina mba hahavaky ilay vato
¶ Ny potiny na sombiny avy amin' ny zavatra novakina na vaky: Sila-mofo [Rajemisa 1985]
 sombiny [SLP 1986]
Famaritana anglisy a splinter, a small piece split off [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay éclat de bois, pierre qui s'écaille ou se sépare [Hallanger 1974]
Sampanteny 

Teny iditra silaka
Sokajin-teny mpamaritra
Famaritana malagasy Potika, sombina, vaky, tapaka
¶ Triatra, na vaky: Silaka ny nifiko
¶ Menatra: Silaka aho notenenin' ny lehibeteo imason' ny mpiara-miasa [Rajemisa 1985]
Teny iditra silaka
Sokajin-teny anarana
Famaritana frantsay partie: Silaka tontolon'i X = E [n] (Partie de X = E [n]) [SLP 1986]
Voambolana 
Kamban-teny, lohateny, anarana 

2012/06/07