Teny iditra sisifana (sisika)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Ampidirana, anatsofohana zavatra, ka matetika somary ankery: Sisifana vy ny vatankazo mba hamakiana azy / Isan' efa-taona dia sisifana andro iray ny taona ka amin' ny faran' ny fevrie no atao izany
Ampidirana kely: Nosisifako teny kely ho an' i Dadatoa tao amin' ny taratasy nampitondraiko ho an-dRakoto [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : sisifana, sisifako, sisifanao, sisifany, sisifantsika, sisifanay, sisifanareo, sisifan', sisifan-, sisifam-, sisifa-
Ny lasa : nosisifana, nosisifako, nosisifanao, nosisifany, nosisifantsika, nosisifanay, nosisifanareo, nosisifan', nosisifan-, nosisifam-, nosisifa-
Ny hoavy : hosisifana, hosisifako, hosisifanao, hosisifany, hosisifantsika, hosisifanay, hosisifanareo, hosisifan', hosisifan-, hosisifam-, hosisifa-
Filaza mandidy : sisifo
Tovy hevitra sisihana

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20