Teny iditra sisihana (sisika)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Ampidirana, anatsofohana zavatra, ka matetika somary ankery: Sisihana vy ny vatankazo mba hamakiana azy / Isan' efa-taona dia sisihana andro iray ny taona ka amin' ny faran' ny fevrie no atao izany
Ampidirana kely: Nosisihako teny kely ho an' i Dadatoa tao amin' ny taratasy nampitondraiko ho an-dRakoto [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : sisihana, sisihako, sisihanao, sisihany, sisihantsika, sisihanay, sisihanareo, sisihan', sisihan-, sisiham-, sisiha-
Ny lasa : nosisihana, nosisihako, nosisihanao, nosisihany, nosisihantsika, nosisihanay, nosisihanareo, nosisihan', nosisihan-, nosisiham-, nosisiha-
Ny hoavy : hosisihana, hosisihako, hosisihanao, hosisihany, hosisihantsika, hosisihanay, hosisihanareo, hosisihan', hosisihan-, hosisiham-, hosisiha-
Filaza mandidy : sisiho
Tovy hevitra sisifana
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20