Teny iditra sokina
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy  sokona [Rajemisa 1985]

Teny iditra sokina
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Biby misy tsilotsilony mandrakotra ny lamosiny, mpihinam-bibikely (ny sokina dia anisan' ny biby voalaza ho mahasoa noho izy mihinana ireo kankana, bibikely, bibimandady fatra-panimba zavatra), halavany: 20 sm. [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy greater hedgehog tenrec ( Setifer setosus) [https://www.tenrec.org]
Famaritana frantsay hérisson [Rajemisa: Vakoka, Hallanger 1974]
 tenrec [Hallanger 1974]
Famaritana frantsay grand tenrec hérisson [https://www.tenrec.org]
Famaritana alemà Großer Igeltanrek [https://www.tenrec.org]
Voambolana 
Anarana siantifika Setifer setosus
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1Sokina manatona afo mantsy izato izy leiroa. [Rapatsalahy: Kintana]
2Ny tanàna ahiny tsy iakaran-kibobo na sokina. [Rasamuel: Zanakantitra]
3Tao koa ny oviala, ovy fantaka, vomanga dia, sokina, trandraka, sorakely sy ny sisa. [Randriamiadanarivo: Sikajy]
Teny nalaina 
Lahatsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2020/04/12