Teny iditra soloky
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Lainga atao mba hametsena na hangalarana; fitaka; fanambakana: Sotoky no ampiasainy mba hahazoany ny tanimbariko
¶ Fanaovana zavatra tsy tena izy fa hafa; hala-danja na hosoka: Novany ny tarehi-marika tamin' ilay taratasim-bola, nefa ny ampitso ihany dia tratra ny soloky nataony. [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy extortion, fraud [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay chantage, fraude [Hallanger 1974]
Sampanteny 
Ohatra Halatra sy soloky tsotra izao no nataony ary vola bebe ihany no lasany. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 135]

2013/06/13