Teny iditra soratana (soratra)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Atao an-tsoratra: Soratany isan' androny laniny
Ampandrenesina amin' ny taratasy: hosoratako aminy io vaovao io
Foronina: Tamin' ny taona inona no nosoratan-dRabearivelo ny tononkalo hoe "Fasana faharoa" ? [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Qu’on écrit, inscrit, sur quoi on met des dessins, des marques, des lignes qu’on peint [1.3]
Ohatra Rehefa mamokatra taona vitsivitsy izany, dia azon' ilay nanao angatahina ho azy, ary dia soratana amin' ny kadasitra amin' ny anarany. [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : soratana, soratako, soratanao, soratany, soratantsika, soratanay, soratanareo, soratan', soratan-, soratam-, sorata-
Ny lasa : nosoratana, nosoratako, nosoratanao, nosoratany, nosoratantsika, nosoratanay, nosoratanareo, nosoratan', nosoratan-, nosoratam-, nosorata-
Ny hoavy : hosoratana, hosoratako, hosoratanao, hosoratany, hosoratantsika, hosoratanay, hosoratanareo, hosoratan', hosoratan-, hosoratam-, hosorata-
Filaza mandidy : soraty, sorato

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20