Teny iditra soroka
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Fitambaran' ny taolana roa -- rangomaina sy taolam-panavy -- izay mampifandray ny sandry amin' ny tenabe [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy the shoulder [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay l'épaule [Hallanger 1974]
Voambolana 
Sampanteny 
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra Henjana ny hazondamosina manontolo rahefa hariva ny andro, mavesatra ny soroka sy ny hatoka, manaintaina ny sandry. [Andraina: Mitaraina, takila 19]

Teny iditra soroka
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Fanalana ny tany na ahitra amin' ny angady, izay asosa hisafosafo ny tany ny vohony: Soroka ahitra
¶ Fialana amin' ny famelezana, toy ny tora-bato, kapoka, totohondry: Soro-baton' ilay jamba: voa vao mihilana (ohab.) [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay action de racler, d'égaliser, d'enlever avec la bêche.
¶ action d'esquiver un coup en se penchant. [Abinal 1888]
Sampanteny 

Teny iditra soroka
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy  [Betsimisaraka] Sotro ravina [Rajemisa 1985]

2013/06/13