Teny iditra tafika
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Fitambaran' ny miaramila enti-miady, miaramila amim-piadiana: Nandroso hamely ny fahavalo ny tafika
¶ Fitambaran' ny miaramila mampiasa fiadiana sy fomba fiady iray: Ny tafika an-tanety, ny tafika an-dranomasina
¶ Fitambaran' ny miaramila eo ambany fanevam-pirenena, foloalindahy: Izy no jeneraly mifehy ny tafika
¶ Enti-milaza fahamaroan' isa, fahabetsahana: Betsaka ve ny olona niakatra tatỳ an-tanàna nijery fety? Tafika iray manontolo ka ianao angaha maninona! [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy a war party; an army [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay expédition guerrière; armée [Hallanger 1974]
Voambolana 
Sampanteny 
Endriteny 
tafika
tafik'
tafi-
tafiky
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1Tonga ny tafika, hoy ny baikon' ilay lehibeny tao an-tanàna! [Rajohanesa: Kintana]
2Tonga tokoa ny tariky ny tafika angilisy. [Andraina: Mitaraina, takila 145]
Teny nalaina 

Teny iditra Tafika
Sokajin-teny anaran-tsamirery (olona) [fitanisana]
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny sampy taloha
Ohatra ary i Tafika teo Ambohijanaka. [Callet: Tantara, takila 531]

2017/01/20