Teny iditra tafo
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy saron' ny zavatra ambony indrindra: Vao nolokoana ny tafon' ity sarety ity
¶ Zavatra entina mandrakotra, manarona ny trano, taila: Ohatrinona ny arivo amin' itony tafo itony? (rehefa mipetaka amin' ny trano izy no atao hoe tafontrano)
¶ razan-tafo: tafo bozaka, tafo hazo, tafo fanitso, tafo kapila na tafo tanimanga
¶ Ny fitambaran' ny sarona na rakotry ny trano: Izao tsy mbola misy orana izao no fotoana tsara fanamboarana ny tafo (eto izy dia azo soloana hoe: tafontrano). [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy a roof [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay le toit, la couverture du toit [Abinal 1888]
Famaritana frantsay toit [Hallanger 1974, SLP 1986, Rajaonarimanana 1995]
 couverture [SLP 1986, Rajaonarimanana 1995]
Famaritana frantsay toiture [Rajaonarimanana 1995]
Sampanteny 
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1Niredaka ny hazo rehetra sy ny tafo. [Andraina: Mitaraina, takila 223]
2Nosoloana fanitso ny tafo tani-manga efa simba. [Ravelomanana: Lalana, takila 182]
3Asabotsy, dia vita ny fasana, hatramy ny trano manara, natao tafo hazo. [Cohen-Bessy: Rakotovao, takila 101]
Teny nalaina 
Haianarantany Anaran-toerana misy ity teny tafo ity (1): Betafo

2015/09/27