Teny iditra taiza (aiza)
Sokajin-teny   ny lasan' ny tambinteny [firaketana]
Famaritana malagasy   Enti-milaza ny lasa amin' ny Aiza ka manontany ny toerana naleha: Taiza no nitsangantsangana ianareo omaly [Rajemisa 1985]
Ohatra  
1Mba taiza no nahita ady hianao? [Rajohanesa: Kintana]
2Ary taiza ihany ianao omaly? [Andriamalala: Ranomasina, takila 47]
3Taiza ianareo no namovo? [Andraina: Mitaraina, takila 184]
Fifanahafana   aiza

Teny iditra taiza
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Zaza ampinonoina, karakaraina sy kolokoloina manokana: Tsy taiza intsony Ibalita fa efa zaza afa-miahy tena
¶ Ilazana ny zanak' olon-kafa mipetraka ao amin' ny tena ka atao toy ny zanaka: Taizanay tao an-trano Rakoto nandritra ny fito taona. [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy   a nursing child; the care of children [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay   nourrisson; soins qu'on prend des enfants [Hallanger 1974]
Voambolana  
Sampanteny  
Kamban-teny, lohateny, anarana  

Teny iditra TAIZA
Sokajin-teny   anarana (fanafohezanteny) [firaketana]
Famaritana malagasy   Tambajotran' Antananarivo Iarovana ny Zon' ny Ankizy [3.1]
   TAIZA compte une trentaine de membres, dont les différentes entités ministèrielles chargées de la protection des enfants (Direction Régionale de la Santé et du Planning Familial Analamanga, Service Central de la Police des Moeurs et de la Protection des Mineurs, Juges des Enfants, BMH, ...), mais aussi des associations et divers centres d'accueil des enfants, notamment Avotra, Avoko, CDA Andohatapenaka, SOS aux Victimes du Non Droit, etc. [ ]
Teny nalaina  
Fifanahafana   fanafohezan-teny

Nohavaozina tamin' ny 2014/06/03