Teny iditra takonana (takona)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Sakanan-javatra ny fahitana azy: Takonan' ny rahona ny volana
Enti-milaza ny olona sakananjavatra ka tsy mahita: Notakonany aho ka sorena fa tsy nisy na inona na inona hitako tamin' ilay fampisehoana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be concealed, to be shadowed [1.2, 1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on cache; qu'on ombrage [1.8]
Fanazavàna teny malagasy Manjavona, maizina [1.13]
Fanazavàna teny frantsay éclipse [1.13]
Ohatra 
1Nitondra takonana emboka fito izy. [2.245]
2Fa samy hitany avokoa na ny natao an-karihary na ny nafenina tany an-takonana. [1.317]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : takonana, takonako, takonanao, takonany, takonantsika, takonanay, takonanareo, takonan', takonan-, takonam-, takona-
Ny lasa : notakonana, notakonako, notakonanao, notakonany, notakonantsika, notakonanay, notakonanareo, notakonan', notakonan-, notakonam-, notakona-
Ny hoavy : hotakonana, hotakonako, hotakonanao, hotakonany, hotakonantsika, hotakonanay, hotakonanareo, hotakonan', hotakonan-, hotakonam-, hotakona-
Filaza mandidy : takony
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/03