Teny iditra tambinteny (tamby, teny)
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   mpanamafy matoanteny [Ravelojaona: Firaketana]
   Misy 11 ny sokajin-teny amin' ny teny malagasy:
  1. ny matoanteny (ohatra: miteny),
  2. ny tambinteny (ohatra: afovoany),
  3. ny anarana (ohatra: ankizy),
  4. ny mpamaritra (ohatra: fotsy),
  5. ny mpisolo (ohatra: izy),
  6. ny mpanoritra (ohatra: ilay),
  7. ny mpampiankin-teny (ohatra: amy),
  8. ny mpampitohy fehezan-teny (ohatra: rehefa),
  9. ny mpampitohy (ohatra: ary),
  10. ny tenim-piontanana (ohatra: indrisy),
  11. ny kian-teny (ohatra: ve).
[Rajemisa 1985]
   teny anampy ny "verba" [matoanteny], na izay teny hafa milaza fomba na toetra, mba hanampy na hamaritra ny heviny [Sims 1969]
   teny kely apetraka aorian'ny enti-milaza entina manamafy ny heviny [SLP: Voambolana]
Famaritana anglisy   adverb [3.1]
Famaritana frantsay   adverbe [Ravelojaona: Firaketana, Rajaonarimanana 1995, SLP: Voambolana, Rakotonaivo 1993]
Voambolana  
Tsanganana sy sary iray takila   ny tambinteny rehetra
Teny nalaina  

Nohavaozina tamin' ny 2016/11/01