Teny iditra tampina
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Zavatra entina manentsina ny hirika, ny loaka: Niala ilay tampina natao tamin' ny varavarankely tsisy fitaratra ~ Asio tampina ity akanjo ity fa loaka [Rajemisa 1985]

Teny iditra tampina
Sokajin-teny mpamaritra
Famaritana malagasy Voasarona, mikombona, voakombona: Ela ny ela ka tampina ilay vava fery
¶ Voatsentsina ka manjary feno ny loaka na ny lavaka: Tampina haingana ilay loaka tamin' ny lakana ka tsy niditra firy ny rano
¶ Misy zavatra misakana, ka tsy afa-mandeha na mivoaka ny rano na ny rivotra, fempina: Tampina ny lakandrano [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy plugged, corked [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay bouché, obstrué [Hallanger 1974]
Famaritana frantsay bouché [SLP 1986]
Sampanteny 
Mpanahaka  tsentsina
Ohatra Rahefa tampina ny masoko, dia nandeha indray ny fiarakodia. [Andriamalala: Ranomasina, takila 57]

2013/12/20