Teny iditra tampoka
Sokajin-teny tambinteny [fitanisana]
Famaritana malagasy Tsy nampoizina: Tonga tampoka Rakoto
¶ Vetivety foana: Tampoka foana tao, avy ny orana, ka kotsa izahay rehetra [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy suddenly [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay soudain, tout-à-coup, à l'improviste [Abinal 1888]
 subitement [Hallanger 1974]
Sampanteny 
Ohatra 
1Tafarina tampoka izy, ka nanontany an-dRenilezo. [Rajohanesa: Kintana]
2Hadinoko tampoka teo ohatra ny tsy nisy ry Soa mbamin-dry Ketaka mpiaraka amiko ao an-tanàna. [Andraina: I Vola, takila 7]
3Tafatsangana tampoka izy. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 58]
4Hoy i Lanto maotina tampoka. [Andriamalala: Ranomasina, takila 26]

Teny iditra tampoka
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Fanampiana rano mangatsiaka ny rano mafana mba hampangatsiatsiaka azy, na hanatsatsoana fisotro mahery amin' ny fanampiana rano azy [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay action d'étendre, de couper avec de l'e [...] [tohiny Rajaonarimanana 1995]
Sampanteny 

2015/04/04