Teny iditra tampona
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Ny faritra avo indrindra amin' ny zavatra iray: Ny tampon' ny tendrombohitr' Ankaratra no atao hoe Tsiafajavona
¶ Ny fara tampony ambony, ny fanaperana: Tonga amin' ny tampon' ny voninahitra izy [Rajemisa 1985]
Sampanteny 
Endriteny 
tampona
tampoko
tamponao
tampony
tampontsika
tamponay
tamponareo
tampon'
tampon-
tampom-
tampo-
Ohatra Havoana ihany Analatelo, saingy malalaka sy somary marin-tampona. [Andraina: Mitaraina, takila 142]
Haianarantany Anaran-toerana misy ity teny tampona ity (1): Tsaratampona

2017/05/31