Teny iditra tanana
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Rantsam-batana hatreo amin' ny hatotanana ka hatramin' ny rantsantanana, ary ampiasaina handray sy hikasika ary hitana zavatra: Manasà tanana alohan' ny hisakafo. [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy   the hand
¶ the forelegs of quadrupeds [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay   la main, les mains [Abinal 1888, Hallanger 1974]
   les pattes de devant chez les quadrupèdes [Abinal 1888, Hallanger 1974]
   les manches des habits, etc. [Abinal 1888]
   main, manche, rayon [Rajaonarimanana 1995]
Ohatra  
1Raha sahy ialahy, tehafo ny tanako [Andraina: Mitaraina]
2Noraisiko ilay bodofotsy tsara tarehy teo akaikiko, dia nanaraka ny tanako ny sombiny voaraiko [Andriamalala: Ranomasina]
3Any ampaosinao ny tanany vatany vao variana kely foana ianao [Rakotonandrasana: Tantsaha]
Voambolana  
Endriteny  
tanana
tanako
tananao
tanany
tanantsika
tananay
tananareo
tanan'
tanan-
tanam-
tana-
Kamban-teny, lohateny, anarana  
Teny nalaina  
Lahatsoratra  
Haianarantany   Anaran-toerana misy ity teny tanana ity (3): Befelatanana, Tsaratanana, Tsaratananakely
Sary  

Teny iditra tana
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Vohitra lehibe misy arabe migodana sy trano lehibe voalahadahatra ara-pomba mahafinaritra ny maso ary kianja malalaka isan-karazany: Mipetraka any antanàna izy fa tsy etý ambanivohitra. [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy   a town, a city (written with the accent) [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay   ville, village (s'écrit toujours avec l'accent) [Hallanger 1974]
Ohatra  
1eny fa mahalala rariny tokoa izato hianao / ry Ifiadanana / ka sanatria tokoa raha hafoiko ny tanànanay. [Fox: Hainteny, laharana 295]
2nefa ny firefodrefotry ny basy ao an-tanànan' Antsirabe mbola tsy mijanona. [Rajohanesa: Kintana]
Voambolana  
Endriteny  
tanàna
tanànako
tanànanao
tanànany
tanànantsika
tanànanay
tanànanareo
tanànan'
tanànan-
tanànam-
Kamban-teny, lohateny, anarana  
Teny nalaina  
Lahatsoratra  
Haianarantany   Anaran-toerana misy ity teny tanàna ity (6)
Alarobia-Antanamalaza
  Antananarivo
  Maevatanana
  Tanambao
  Tanambe
  Tanandava
 
Sary  

Teny iditra tanana (tana)
Sokajin-teny   matoanteny mpamaritra
Famaritana malagasy   Gejaina amin' ny tanana, tazonina, fihinina: Tano tsara ny tady sao mianjera ianao
¶ Hazonina, tsy avala ho very, ho lasa: Tano ny azo fa sarotra ny mita
¶ Hazonina, tsy avala hivoaka: Notanany tao aminy ny zanany roa
¶ Tehirizina; tsaroana: Notanany tao am-pony ireo teny ireo [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy   to be seized, to be held, to be grappled; to be charged [Richardson 1885]
Famaritana frantsay   qu'on tient, qu'on retient, qu'on arrête, qu'on saisit, qu'on garde [Abinal 1888]
Endriteny  
tanana
tanako
tananao
tanany
tanantsika
tananay
tananareo
tanan'
tanan-
tanam-
tana-
notanana
notanako
notananao
notanany
notanantsika
notananay
notananareo
notanan'
notanan-
notanam-
notana-
hotanana
hotanako
hotananao
hotanany
hotanantsika
hotananay
hotananareo
hotanan'
hotanan-
hotanam-
hotana-
tano
Teny nalaina  

2018/08/03