Teny iditra tandrefana
Singan-teny t~ ; andrefana
Sokajin-teny anarana na tambinteny
Fanazavàna teny malagasy Enti-milaza ny olona avy any andrefana. -- Raha ilazana ny fizaran' ny tany lehibe io teny io, dia entina milaza ny olona avy any amin' ny ilan' ny tany heverina fa ilentehan' ny masoandro, dia i Eoropa izany, Amerika... mifanohitra amin' ny Tatsinanana, karazan' olona monina amin' ny ilany atsinanana amin' ny tany (Azia, Japana...) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy The west people [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Les Occidentaux [1.5]
 Les gens de l'Ouest [1.8, 1.5]
Ohatra 
1tandrefana ity, tatsinanana irokatra. [2.285]
2Ary tsy ny rehetra koa no nitady ny "fandrosoana " araka ny filamatra tandrefana. [2.366]
3Ny Tandrefana no tsy manaiky ny fisian' ny zanany hanova na inona na inona eo amin' ny fiainany, ka tsy voasakan' ny fitaizana tsy hamonjy ny lanonana firiariavany fahiny, fa ny Malagasy kosa mahafoy izay korana tsy hahafahany mirongitra ny kitrany. [2.5]
Mpanahaka  tatsimo ~ tatsinanana ~ tavaratra

Nohavaozina tamin' ny 2023/02/21