Teny iditra tantana
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Fizarana zavatra amin' olona maro samy kendrena hanana anjara avokoa
¶ Fizarana vola na sakafo amin' olona maromaro nandray anjara tamin' ny fandevenana na famadihan-drazana na lanonana na asa tsotra: Mahafinaritra fa vita tsara ny tantana [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay distribution de viande, de riz ou d'argent, surtout au Fandroana et aux enterrements [Abinal 1888]
Sampanteny 
Teny nalaina 

Teny iditra tantana
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Fandrin-javatra, lenta: Tsy mitovy tantana ny tokotany [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay Égalité de niveau, égalité d'un tissu bien fait [Abinal 1888]
Kamban-teny, lohateny, anarana 

Teny iditra tantàna (tana)
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy (Endrika verindroan' ny teny hoe: "Tana"): Fandraisana olona amin' ny tanana ka entina mamindra miaraka amin' ny tena. (Marihina fa efa nova toerana ny tsindrim-peon' io teny io amin' ny fiteny mahazatra ka nanjary tàntana [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay duplicatif de tana [Abinal 1888]
Sampanteny 

2013/07/12