Teny iditra tantara
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fahalalana ny zava-niseho tamin' ny andro lasa: Mampianatra antsika zavatra maro ny tantarampirenena
Filazana fitohitohizan-javatra, andraisan' olona anjara, tena nisy marina na noforomporonin' ny saina fotsiny: Tia mihaino tantara ny ankizy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A story, a tale [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Histoire, conte; l'histoire [1.8]
Ohatra 
1Tsy ahoany loatra izay tantara sy anganon-drainy [2.470]
2Izany tantara izany dia voa soratra amy ny teni-gasy [2.48]
3Ny mba tantaran' ny tanindrazanareo, tsy ampy raviny roa na telo amin' ny boky fianarana tantaram-pirenena fampiasa amin' ny kilasy ambony. [2.472]
Voambolana 
Haiendriteny 
Tsotra : tantara, tantarako, tantaranao, tantarany, tantarantsika, tantaranay, tantaranareo, tantaran', tantaran-, tantaram-
Sampanteny 
Kamban-teny 
Lohateny Angano aman-tantara (Rabenandrasana Lalao François)
Hamy (Andriamangatiana Iharilanto Patrick)
Ikelimalaza sy ny tantarany (Ramiandry J)
Ikotofetsy sy Imahaka sy Tantara Malagasy hafa koa (Rabezandrina)
Index des Tantaran' ny Andriana eto Madagascar
Ny Tantaran'ny Fiangonana
Ny Tantaran'ny Firenena Malagasy (Rakotomamonjy Marline)
Ny tantaran' ny Martiora malagasy (Rabary Jean-Joseph)
Ny tantaran' ny Olomasina
Tantara Betsileo (Rainihifina Jessé)
Tantara ny Andriana
Tantaran' i Madagasikara (Ralaitafikia)
Tantaran' i Madagasikara isam-paritra
Tantaran' ny Vazimba mainty (Rainianjanoro)
Tantaran' ny Voaramasiaka dia ny mainty enin-dreny (Rainianjanoro)
Tantaran' ny Zanakantitra sy ny Menalamba tao andrefan' Ankaratra (Rasamuel Maurice)
Tantara sy fomban-drazana (Rainandriamampandry)
Tantara sy fomban-drazana Antandroy (Vorimanana Gabriel)
Tantara sy jeografia fitaizana ho isam-bahoaka
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/11