Teny iditra tany
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Antontan-javatra boribory mimaona eny amin' ny habakabaka, onenan' ny olombelona, izay sady mihodinkodina eo am-pitoerana ohatra ny tandrimo mandritra ny indray andro sy indray alina no manodidina ny masoandro mandritra ny dimy amby enimpolo sy telonjato andro: Andriamanitra no nahary ny lanitra sy ny tany, hoy ny baiboly
Vovobovoka mena matroka izay toy ny nofon' io antontan-javatra voalaza etsy ambony ka anirian' ny zavamaniry: Mahavokatra ny fambolena ny tany lonaka
Tanety (mifanohitra amin' ny ranomasina): Intelo ohatra ny tany ny ranomasina
Faritany: Madagasikara dia anisan' ny tany mafana
Saha fananana: Itsy atsimo itsy no taninay, fa ity an-dry Ranaivo
Ny olona miara-mipetraka amin' ny faritany iray: Samy manana ny fomba amam-panaony ny tany rehetra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Earth, soil, land; a country, a nation [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Terre, sol; pays, nation [1.8]
 Terre, sol, terrain [1.13]
Voambolana 
Kamban-teny 
Anaram-biby 
Anaram-javamaniry 
Anaram-poko 
Lohateny Mifalia ny tany mamiko (Rakoto Odeam)
Anaran-toerana 
Mpanahaka  tanimanga ~ tanimangampoza ~ taniravo
Ohabolana 

Teny iditra tany
Singan-teny t~ ; any
Sokajin-teny ny lasan' ny tambinteny [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Milaza toerana naleha na nisy ny tena: Tany an-tsena aho aninaraina [1.1]
Ohatra na tany aho na tsy tany
tsy ho kely be nenina moa hianao?
[2.131]
Kamban-teny 

Teny iditra tany
Sokajin-teny tambinteny [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Tany fanafohezana ny hoe: "Tahiny": Raha tany mandalo any amin-dry dada ianao, ampamangio azy any aho [1.1]

Teny iditra tany
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Bara] [ tañy ] tomany, fitomany, fitomaniana [1.78]
  [Sihanaka] [ tañy ] ranomaso, tomany [1.78]
  [Tanala] [ tañy ] tany, fitomaniana [1.78]
 (teny tranainy) Ilazana ny "tomany", sady fototeny niavian' io teny io rahateo (tamin' ny alalan' ny tsofoka om: / - om / any), saingy tsy fampiasa afa-tsy amin' ny fombam-pitenenana sy ohabolana sasantsasany, toy ny hoe: toran-tany: mitomany mafy ka ohàtra ny torana mihitsy; kalon' antitra ka tany no farany: mazàna no miafara amin' ny tomany ny hirahiran' ny antitra noho ny fibosesehan' ny fahatsiarovana sy ny fihetseham-po tsaroany tamin' ny fiainany lasa [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Les larmes, les pleurs, les gémissements
Regret [1.3]
  [Sakalava-Mayotte] [ tañy ] Pleur [1.405]
Sampanteny 
Tovy hevitra tañe
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/06